John 21:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izany no nolazainy mba hanambarana ny fomban’ny fahafatesana izay hankalazany an’Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe: «Manaraha Ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
(Izany voalazan’i Jesoa izany, dia manambara ny karazam-pahafatesana hanomezan’i Petera voninahitra an’Andriamanitra). Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe: –Avia hiaraka amiko!
Malagasy Bible 1865
Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izany no nolazainy mba hanambarana ny fomban’ny fahafatesana izay hankalazany an’Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
malagasy
Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.