John 21:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitodika i Petera ka hitany manaraka azy ilay mpianatra tian’i Jesosy, dia ilay niankina tamin’ny tratrany tamin’ny fisakafoanana ka niteny hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nitodika i Piera, dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan’i Jesoa izay niankina tamin’ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe: «Tompoko, iza no hamadika Anao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitodika i Petera ka hitany manaraka azy ireo ilay mpianatra tian’i Jesoa, ilay mpianatra izay nirona teo amin’ny tratran’i Jesoa tamin’ny fisakafoana ka nanontany Azy hoe: «Tompo ô, iza moa ilay efa hanolotra Anao?»
Malagasy Bible 1865
Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitodika i Petera ka hitany manaraka azy ilay mpianatra tian’i Jesosy, dia ilay niankina tamin’ny tratrany tamin’ny fisakafoanana ka niteny hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
malagasy
Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?