John 21:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy no ilay mpianatra izay vavolombelon’izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambaràny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filàzany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Io mpianatra io no vavolombelona manambara izany zavatra izany sy nanoratra azy; ary fantatray fa azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona.
Malagasy Bible 1865
Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy no ilay mpianatra izay vavolombelon’izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambaràny.
malagasy
Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.