John 21:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Simona Petera: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, nefa tamin’iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo: «Handeha hanarato aho.» Fa hoy ireo taminy: «Handeha hiaraka aminao koa izahay.» Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Simôna Petera tamin’izy enin-dahy: –Ndeha hanarato aho! Ka hoy ireo taminy: –Ndeha hiaraka aminao koa izahay. Dia niainga izy rehetra ka niditra tao an-tsambokely, saingy tamin’iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory.
Malagasy Bible 1865
Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Simona Petera: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, nefa tamin’iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy ireo.
malagasy