John 21:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ilay mpianatra izay tian’i Jesosy tamin’i Petera: Ny Tompo irỳ. Vao ren’i Simona Petera fa ny Tompo iny dia nisikinany ny akanjo ivelany, fa tsy niakanjo izy, dia nirotsaka tao amin’ny rano izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: «Ny Tompo io.» Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ilay mpianatra tian’i Jesoa tamin’i Petera: –Ny Tompo io! Vao ren’i Simôna Petera fa hoy ny Tompo io, dia niakanjoany ny akanjo ivelany fa efa nesoriny, ka lasa izy nirotsaka tao anaty rano.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpianatra izay tian'i Jesosy tamin'i Petera: Ny Tompo iry. Ary raha ren'i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin'ny ranomasina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ilay mpianatra izay tian’i Jesosy tamin’i Petera: Ny Tompo irỳ. Vao ren’i Simona Petera fa ny Tompo iny dia nisikinany ny akanjo ivelany, fa tsy niakanjo izy, dia nirotsaka tao amin’ny rano izy.
malagasy