John 3:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga tany amin’i Jaona ny mpianany ka nilaza taminy hoe: Raby ô, ilay tany aminao, tany andafin’i Jordana, izay nambaranao, indro manao batisa Izy, ary ny olona rehetra dia manatona Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe: «Raby, Ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko, ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nankany amin’i Jôhany ireo mpianany ka nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ilay niaraka taminao teny andafy atsinanan’ny ony Jôrdàna sady nijoroanao ho vavolombelona iny anie ka manao batisa ary hatonin’ny olona rehetra.
Malagasy Bible 1865
ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga tany amin’i Jaona ny mpianany ka nilaza taminy hoe: Raby ô, ilay tany aminao, tany andafin’i Jordana, izay nambaranao, indro manao batisa Izy, ary ny olona rehetra dia manatona Azy.
malagasy
ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.