John 4:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tsy ianareo va no milaza hoe: Efa-bolana no sisa dia ho tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo ka jereo, fa efa masaka sahady ho amin’ny fijinjana ny eny an-tsaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa tsy lazainareo fa mbola efa-bolana vao taom-pijinjana? Kanefa lazaiko aminareo: Atopazo ny masonareo, ka tazano ny eny an-tsaha, fa efa manopy mena sahady ny vary ka efa ho fijinja.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ianareo ve no milaza fa efa-bolana sisa dia ho tonga ny taom-pijinjana? Indro kosa Aho milaza aminareo hoe: atopazy ny masonareo ka jereo ny eny an-tsaha, fa masaka ny vary sady efa fijinja!
Malagasy Bible 1865
Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa tsy ianareo va no milaza hoe: Efa-bolana no sisa dia ho tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo ka jereo, fa efa masaka sahady ho amin’ny fijinjana ny eny an-tsaha.
malagasy
Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.