John 4:46 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ilay nampodiany ny rano ho divay. Nisy tandapa iray tany Kapernaomy izay nanana zanakalahy narary.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankany Kanà any Galilea indray Izy, tany amin’ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janakalahy narary tany Kafarnaoma,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay i Jesoa dia nankany Kanà tanànan’i Galilea indray, tany amin’ilay nanovany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray nanan-janaka lahy narary tany Kafarnahòma.
Malagasy Bible 1865
Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ilay nampodiany ny rano ho divay. Nisy tandapa iray tany Kapernaomy izay nanana zanakalahy narary.
malagasy
Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.