John 4:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy Ravehivavy samaritana Taminy: Jiosy Ianao ka nahoana no mangataka amiko rano hosotroina nefa aho vehivavy samaritana? Fa ny Jiosy dia tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ilay vehivavy Samaritanina taminy: «Nahoana Ianao no Jody ka no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy Samaritanina?» (Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritanina).
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ilay vehivavy samaritanina tamin’i Jesoa: –Jiosy Ianao, ka nahoana no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy samaritanina? Fa tsy mifandray amin’ny Samaritanina manko ny Jiosy.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin'ny Samaritana.)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy Ravehivavy samaritana Taminy: Jiosy* Ianao ka nahoana no mangataka amiko rano hosotroina nefa aho vehivavy samaritana? Fa ny Jiosy dia tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana.
malagasy
Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin'ny Samaritana.)