John 5:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho Izy nandika ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy sady nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay indray vao mainka nitady hamono Azy ny Jody, satria sady tsy nitandrina ny sabata Izy no nilaza fa rainy Andriamanitra, ka nanao ny Tenany ho mitovy amin’Andriamanitra. Dia notohizin’i Jesoa indray ny teniny, ka hoy Izy tamin’izy ireo:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany teny izany dia vao mainka nitady hamono Azy ny manampahefana jiosy; satria tsy vitan’ny hoe nandika ny fepetra momba ny sabata fotsiny i Jesoa, fa nilaza koa hoe Andriamanitra no Rainy, ka dia nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra. Dia niteny indray i Jesoa nanao tamin’ny manampahefana jiosy hoe:
Malagasy Bible 1865
Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho Izy nandika ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy sady nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra Izy.
malagasy
Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy.