John 5:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha nahita azy mandry teo Jesosy ka nahalala fa efa nahazo azy hatry ny ela izany dia hoy Izy taminy: Te ho sitrana va ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahita azy nivalandòtra teo i Jesoa, sady fantany fa ela no naharariany, dia hoy Izy taminy: «Te ho sitrana ve ianao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitan’i Jesoa nandry teo ralehilahy io sady fantany tsara fa hatramin’ny ela izy no efa toy izany, ka nilazany hoe: –Te ho sitrana ve ianao?
Malagasy Bible 1865
Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha nahita azy mandry teo Jesosy ka nahalala fa efa nahazo azy hatry ny ela izany dia hoy Izy taminy: Te ho sitrana va ianao?
malagasy
Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao?