John 5:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly Azy ilay marary hoe: Tompoko, rehefa hetsehina ny rano dia tsy mba misy olona handroboka ahy ao amin’ny farihy; nefa raha mandeha aho dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navalin’ny marary: «Tompoko, tsy mba manana olona handroboka ahy amin’ny dobo aho rehefa mihetsiketsika ny rano; ka nony mba mandeha aho, dia ny hafa no tafiditra alohako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’ilay marary hoe: –Tsy mba manana olona handroboka ahy ao anatin’ny dobo aho, Tompoko, rehefa voahetsika ny rano; ka nony mandeha aho, dia olon-kafa no tafidina alohako.
Malagasy Bible 1865
Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly Azy ilay marary hoe: Tompoko, rehefa hetsehina ny rano dia tsy mba misy olona handroboka ahy ao amin’ny farihy; nefa raha mandeha aho dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.
malagasy
Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.