John 6:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stadio izy ireo dia nahita an’i Jesosy nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina ary nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stady izy ireo, dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nivoy tokony ho dimy na enina kilaometatra izy ireo, dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony farihy sy nanakaiky ny sambokely; hany ka raiki-tahotra ireo mpianatra.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an'i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stadio* izy ireo dia nahita an’i Jesosy nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina ary nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy ireo.
malagasy
Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an'i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy. [Na: dimy na enina kilometatra]