John 6:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, zanak’i Josefa, izay fantatsika ny ray aman-dreniny? Koa ahoana indray no ilazany ankehitriny hoe: Izaho ilay nidina avy tany an-danitra?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Moa tsy i Jesoa zanak’i Josefa va ity», hoy izy ireo, «izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ka ahoana àry no anaovany hoe: ‹Nidina avy any an-danitra Aho?› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ry zareo taminy: –Tsy ilay io ve no i Jesoa, zanak’i Jôsefa? Fantatsika ny ray aman-dreniny, koa ahoana àry no anaovany hoe: «Nidina avy tany an-danitra Aho»?
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, zanak’i Josefa, izay fantatsika ny ray aman-dreniny? Koa ahoana indray no ilazany ankehitriny hoe: Izaho ilay nidina avy tany an-danitra?
malagasy
Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?