John 7:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha amin’ny Sabata aza no amorana olona mba tsy hahafoana ny lalànan’i Mosesy dia ho tezitra Amiko va ianareo satria nisy olona iray nositraniko ny tenany manontolo tamin’ny Sabata.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka raha foràna ny olona na dia amin’ny sabata aza, mba tsy hofoanana ny Lalàn’i Môizy, nahoana no dia tezitra amiko ianareo, raha lehilahy anankiray no mba nositraniko tamin’ny sabata ny tenany manontolo?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa raha andro sabata no amorana olona mba tsy hahafoana ny lalànan’i Mosesy, dia tezitra amiko ve ianareo raha misy lehilahy anankiray nataoko sitrana soa aman-tsara ny tenany manontolo tamin’ny andro sabata?
Malagasy Bible 1865
Raha amin'ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha amin’ny Sabata aza no amorana olona mba tsy hahafoana ny lalànan’i Mosesy dia ho tezitra Amiko va ianareo satria nisy olona iray nositraniko ny tenany manontolo tamin’ny Sabata.
malagasy
Raha amin'ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata.