John 7:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro Izy izao miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Efa fantatry ny mpitondra tokoa va fa io no Kristy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io, ka no tsy misy sahy miteny Azy akory? Sao dia efa fantatry ny loholona kosa fa io no i Kristy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro Izy miteny an-karihary, kanefa ry zareo tsy mandrara Azy akory! Sao dia efa azon’ireo filohantsika antoka fa Izy no ilay Mesia?
Malagasy Bible 1865
Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro Izy izao miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Efa fantatry ny mpitondra tokoa va fa io no Kristy*?
malagasy
Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy?