John 7:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha nampianatra tao amin’ny tempoly Jesosy dia niantso hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay niaviako; ary tsy avy amin’ny fahefan’ny tenako Aho, fa marina ny naniraka Ahy, izay tsy fantatrareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niantso àry i Jesoa tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly ka nanao hoe: «Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako. Nefa tsy tonga ho Ahy Aho, fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa raha nampianatra tao an- kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia niantso mafy hoe: –Izaho ve dia fantatrareo tokoa, ary fantatrareo tokoa ve ny ipoirako? Tsy avy amin’ny tenako no nahatongavako; fa azo antoka Ilay naniraka Ahy, saingy ianareo tsy mahalala Azy.
Malagasy Bible 1865
Dia niantso teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha nampianatra tao amin’ny tempoly Jesosy dia niantso hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay niaviako; ary tsy avy amin’ny fahefan’ny tenako Aho, fa marina ny naniraka Ahy, izay tsy fantatrareo.
malagasy