John 7:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa tsy misy olona manao zavatra amin’ny takona, nefa ny tenany dia mitady ho hita miharihary; raha manao izao zavatra izao Ianao dia misehoa amin’izao tontolo izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa tsy misy mitady ny tenany ho fantatr’olona ka manao zavatra amin’ny takona. Raha manao izany zavatra izany Ianao, dia misehoa amin’izao tontolo izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tsy misy olona manafina izay ataony raha mitady ho fanta-bahoaka. Raha manao ireny zavatra ireny Ianao, dia misehoa amin’izao tontolo izao.
Malagasy Bible 1865
fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa tsy misy olona manao zavatra amin’ny takona, nefa ny tenany dia mitady ho hita miharihary; raha manao izao zavatra izao Ianao dia misehoa amin’izao tontolo izao.
malagasy
fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao. [Na: mitady ho hita fa matoky]