John 8:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo dia ho tia Ahy ianareo satria avy tamin’Andriamanitra no niaviako sy nankanesako atỳ; fa Izaho tsy tonga amin’ny fahefan’ny tenako fa Izy no naniraka Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy kosa i Jesoa tamin’izy ireo: «Raha Andriamanitra no rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria Andriamanitra no niaviako, ary Izy no nahatongavako atỳ; fa tsy tonga ho Ahy Aho, fa Izy no naniraka Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Jesoa kosa nanao taminy hoe: –Raha Andriamanitra no tena Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; tsy avy amin’ny tenako no nahatongavako, fa Izy no naniraka Ahy.
Malagasy Bible 1865
Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.