John 9:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany teny izany no nolazain’ny ray aman-dreniny satria natahotra ny Jiosy izy ireo; fa efa nifanaiky mantsy ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina tsy ho isan’ny amin’ny sinagoga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ray aman-dreniny no nilaza izany, dia noho izy natahotra ny Jody, satria efa nifanaiky ny Jody fa horoahina amin’ny sinagoga izay hanaiky an’i Jesoa ho Kristy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no tenin’ny ray aman-dreniny noho izy ireo natahotra ny manampahefana jiosy; satria efa nifanaraka ny manampahefana jiosy fa raha manaiky an’i Jesoa ho Mesia, dia horoahina hiala amin’ny sinagôga.
Malagasy Bible 1865
Izany teny izany no nolazain'ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin'ny synagoga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany teny izany no nolazain’ny ray aman-dreniny satria natahotra ny Jiosy izy ireo; fa efa nifanaiky mantsy ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy* dia horoahina tsy ho isan’ny amin’ny sinagoga*.
malagasy
Izany teny izany no nolazain'ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin'ny synagoga.