John 9:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao any amin’ny farihy Siloama, izay atao hoe Nirahina, ny masonao. Dia lasa ilay jamba nanasa ny masony, ary niverina nahiratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hoy Izy taminy: «Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Siloe» (izany hoe Iraka). Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nanao taminy hoe: –Ndeha ianao misasa maso any amin’ny dobo Silôà. (Silôà dia midika hoe «Nirahina».) Dia lasa nankany izy ary nisasa maso ka nahiratra rehefa niverina.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao any amin’ny farihy Siloama, izay atao hoe Nirahina, ny masonao. Dia lasa ilay jamba nanasa ny masony, ary niverina nahiratra.
malagasy
Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.