John 9:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izay nifanolo-bodirindrina taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia niteny hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano taminy, sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe: «Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka?» Dia hoy ny sasany: «Izy io.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay ireo mpiara-monina aminy sy ireo olona nahita fa mpangataka izy taloha, dia nanao hoe: –Tsy ity ve ilay nipetraka nangataka? Ka hoy ny sasany: –Izy io!
Malagasy Bible 1865
Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izay nifanolo-bodirindrina taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia niteny hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
malagasy
Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?