Jonah 1:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka niteny taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Satria fantany fa nandositra hanalavitra NY TOMPO izy, fa efa nambarany taminy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia raiki-tahotra mafy ireo olona ireo, ka nanao taminy hoe: «Inona izany ataonao izany!» Satria fantatr’ireo olona ireo fa nandositra lavitra ny tavan’i Iaveh izy, fa efa nambarany taminy izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia raiki-tahotra ireo matilò raha nitantarany fa hay nandositra ny Tompo izy. Ka hoy ireo taminy: –Fa naninona ianao no nanao izany?
Malagasy Bible 1865
Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka niteny taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Satria fantany fa nandositra hanalavitra NY TOMPO izy, fa efa nambarany taminy izany.
malagasy
Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany.