Jonah 1:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa dia mbola nivoy mafy ny olona mba hamerina ny sambo ho amin’ny tany maina, tsy todiny anefa izany fa mbola nihananonja mafy taminy ihany ny ranomasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nivory ny olona mba hitondra ny sambo hitody amin’ny tany maina, fa tsy afaka; satria nihananonja mafimafy kokoa nanohitra azy ny ranomasina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nivoy mafy ireo matilò hahatrarana ny moron-dranomasina nefa tsy nahafa-piry, satria vao mainka nitroatra ny ranomasina.
Malagasy Bible 1865
Nefa namaky onja fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin'ny tany maina, fa tsy zakany, satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa dia mbola nivoy mafy ny olona mba hamerina ny sambo ho amin’ny tany maina, tsy todiny anefa izany fa mbola nihananonja mafy taminy ihany ny ranomasina.
malagasy
Nefa namaky onja fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin'ny tany maina, fa tsy zakany, satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy.