Jonah 1:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ireo hoe: Mifona aminao izahay, TOMPO ô! Aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity, ary aza atao ho mpandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izahay; fa Ianao, TOMPO ô, efa nanatanteraka izay sitraky ny fonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa dia niantso an’i Iaveh izy nanao hoe: «Endrey! ry Iaveh ô! aoka tsy ho faty noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity izahay na ataonao milonjo ny ra tsy manan-tsiny, satria Ianao no nanao araka izay sitrakao, ry Iaveh ô!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitaraina tamin’ny TOMPO ireo ka nanao hoe: –TOMPO ô, aza avelanao ho faty noho ny amin’ity lehilahy ity izahay. Aza atambesatra aminay ny fahafatesan’ny anankiray izay tsy nanan-tsiny. Fa Ianao ry TOMPO no manao araka izay sitrakao.
Malagasy Bible 1865
Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin'ny ain'ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ireo hoe: Mifona aminao izahay, TOMPO ô! Aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity, ary aza atao ho mpandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izahay; fa Ianao, TOMPO ô, efa nanatanteraka izay sitraky ny fonao.
malagasy