Jonah 1:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa nitsangana handositra ho any Tarsisy i Jona mba handositra ny tavan’NY TOMPO. Nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia naloany ny sarany ka niondrana taminy izy mba hiara-mandeha tamin’ny olona ho any Tarsisy, hanalavitra NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitsangana i Jônasy handositra ho any Tarsisa, lavitra ny tavan’i Iaveh. Nidina tany Jôpe izy, dia nahita sambo ho any Tarsisa, ka naloany ny saran-tsambo, dia niditra tao izy, hiaraka amin’izy ireo ho any Tarsisa, lavitra ny tavan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa niainga handositra ho any Tarsîsy hanalavitra ny TOMPO i Jônà. Nankany Jafao izy ka nahita sambo vonona ho any Tarsîsy. Naloany ny saran-dalana, dia niondrana niaraka tamin’ny tantsambo rehetra izy ary nihevitra ny hanalavitra ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan'i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin'ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa nitsangana handositra ho any Tarsisy i Jona mba handositra ny tavan’NY TOMPO. Nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia naloany ny sarany ka niondrana taminy izy mba hiara-mandeha tamin’ny olona ho any Tarsisy, hanalavitra NY TOMPO.
malagasy