Jonah 1:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raiki-tahotra ny tantsambo ka samy nitaraina tamin’ny andriamaniny avy, sady nanary tany an-dranomasina ny entana tao an-tsambo mba hanamaivanana azy. I Jona kosa anefa tamin’izay dia nidina nandry tao ambany indrindra tao amin’ilay sambo ka renoky ny torimaso.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raiki-tahotra ny matilò ka samy nitaraina tamin’izay andriamaniny avy, sady nanary ny zavatra tao an-tsambo tany anaty ranomasina, mba hanamaivana azy; fa i Jônasy kosa nidina tao ambodi-sambo, dia nandry ka renoka natory tao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natahotra mafy ny matilò ka samy niantso vonjy tamin’ny andriamaniny avy. Dia natsipy tany an-dranomasina ny entana mba hanamaivana ny sambo. Tamin’izay kosa i Jônà efa nidina nandry tao anaty sambo iray ka resin-tory.
Malagasy Bible 1865
Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin'ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raiki-tahotra ny tantsambo ka samy nitaraina tamin’ny andriamaniny avy, sady nanary tany an-dranomasina ny entana tao an-tsambo mba hanamaivanana azy. I Jona kosa anefa tamin’izay dia nidina nandry tao ambany indrindra tao amin’ilay sambo ka renoky ny torimaso.
malagasy
Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin'ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.[Heb. fanaka]