Jonah 1:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka niteny taminy hoe: Endre ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna ka antsoy ny Andriamanitrao! Angamba mba hihevitra antsika Izy ka tsy ho faty isika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy nanatona azy ny kapitenin-tsambo, ka nanao taminy hoe: «Inona ity ataonao no matory foana? Mitsangàna antsoy ny Andriamanitrao, ndrao mba mihevitra antsika Andriamanitra, ka tsy ho faty isika».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanatona azy ny kapitenin-tsambo ary nanontany azy hoe: –Fa manao inona eto ianao? Toa matory! Mitsangàna, ka mba antsoy koa ny Andriamanitrao, fa angamba hieritreritra antsika Izy ka tsy hamela antsika ho faty.
Malagasy Bible 1865
Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka niteny taminy hoe: Endre ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna ka antsoy ny Andriamanitrao! Angamba mba hihevitra antsika Izy ka tsy ho faty isika.
malagasy