Jonah 1:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ireo taminy: Miangavy anao izahay, lazao aminay: Noho ny amin’iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin’ny firenen’iza ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay izy ireo nanao taminy hoe: «Lazao aminay re, izay mahatonga izao loza izao amintsika! Inona no raharahanao; avy aiza ianao; aiza no taninao; ary inona no firenenao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ireo taminy: –Tompon’andraikitra amin’izao loza manjo antsika izao ianao, koa lazao anay izay mahatonga anao eto. Avy taiza ianao? Aiza no tany fiavianao? Olom-pirenena avy aiza ianao?
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ireo taminy: Masìna ianao, lazao aminay: Noho ny amin'iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin'ny firenen'iza ianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ireo taminy: Miangavy anao izahay, lazao aminay: Noho ny amin’iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin’ny firenen’iza ianao?
malagasy