Jonah 2:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona. Ary i Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano nandritra ny telo andro sy telo alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naniraka hazandrano lehibe anankiray i Iaveh hitelina an’i Jônasy; ka tao an-kibon’ny hazandrano i Jônasy, hateloana andro sy hateloana alina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandefa trondro lehibe hitelina an’i Jônà ny TOMPO. Koa nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon’ilay trondro i Jônà.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona. Ary i Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano nandritra ny telo andro sy telo alina.
malagasy
[Ny namonjena an'i Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony] Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina.