Jonah 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa izaho kosa dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, ary izay nivoadiako dia hefaiko. An’NY TOMPO ny famonjena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izaho kosa, dia amin’ny feo fiderana Anao, no hanolorako sorona Aminao; ary ny voady nataoko hoefaiko. An’i Iaveh ny famonjena!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izaho kosa amin-kira fiderana no hanolorako sorona aminao, ary hanefako ny voady izay nataoko. Anao, TOMPO ô, ny famonjena!
Malagasy Bible 1865
Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena. Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa izaho kosa dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, ary izay nivoadiako dia hefaiko. An’NY TOMPO ny famonjena.
malagasy
Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena.Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.