Jonah 2:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanarona ahy hatramin’ny aiko ny rano, nanemitra ahy manodidina ny lalina; nisaringotra manodidina ny lohako ny zavamaniry any an-dranomasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny rano nanery ahy hatramin’ny aiko; ny hantsana be nanodidina ahy; ny ahi-dranomasina nangeja ny lohako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa mby hatendako ny rano; nanafotra ahy ny ranomasina, ary ny ahidrano nisaringotra amin’ny lohako.
Malagasy Bible 1865
Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanarona ahy hatramin’ny aiko ny rano, nanemitra ahy manodidina ny lalina; nisaringotra manodidina ny lohako ny zavamaniry any an-dranomasina.
malagasy
Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.