Jonah 2:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; nanidy ahy mandrakizay ny hidin’ny tany; nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Ianao, RY TOMPO Andriamanitro!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tafalentika hatrany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; ny hidin’ny tany efa voahidy tamiko mandrakizay. Kanjo Ianao kosa, nampiakatra ny aiko avy any an-davaka, ry Iaveh Andriamanitro ô!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra no nahatafalatsaka ahy, ka nihidy tamiko mandrakizay ny vavahadin’ny sehatry ny maty. Nefa Ianao, ry TOMPO Andriamanitro ô, nampiakatra ahy velona avy tao an-davaka.
Malagasy Bible 1865
Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; nanidy ahy mandrakizay ny hidin’ny tany; nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Ianao, RY TOMPO Andriamanitro!
malagasy
Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.