Jonah 3:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy ka tsy nataony izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahiny indray izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitan’Andriamanitra ny fihetsik’ireo Ninivita izay niala tamin’ny toetra ratsiny, dia niova fanapahan-kevitra Izy ka tsy nampihatra ny loza izay nolazainy hamelezany azy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy ka tsy nataony izany.
malagasy
Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.