Jonah 3:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanomboka nandeha lalana indray andro tao an-tanàna i Jona ka nanambara hoe: Rehefa afaka efapolo andro dia horavana i Ninive.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy, ka nitory izy nanao hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanomboka ny fitetezana tamin’ny andro voalohany i Jônà ka nitory hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Ninive.»
Malagasy Bible 1865
Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanomboka nandeha lalana indray andro tao an-tanàna i Jona ka nanambara hoe: Rehefa afaka efapolo andro dia horavana i Ninive.
malagasy
Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.[Heb. niditra]