Jonah 4:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO: Malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao ianao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Iaveh: «Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao, tsy nampanirianao, izay naniry tamin’ny indray alina monja, dia maty tanatin’ny indray alina koa;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ihany ny TOMPO hoe: –Malahelo io zavamaniry io ianao kanefa tsy nisasatra taminy kely akory na nanao izay nampaniry azy. Fa indray alina fotsiny no naniriany, dia maty rehefa avy niaina indray alina izy.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah: Hianao malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO: Malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao ianao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa.
malagasy
Dia hoy Jehovah: Hianao malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa;ka moa Izaho tsy mba halahelo an'i Ninive, ilay tanàna lehibe va. izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?