Jonah 4:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO Andriamanitra nanomana tanantanamanga ka nampaniriny izany, hialokalofan’i Jona, ho alokaloky ny lohany sy hanafaka azy amin’ny manjo azy. Dia nahafaly an’i Jona indrindra ny tanantanamanga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Iaveh Andriamanitra, nampaniry tanantanamanga, izay nisondrotra teo ambonin’i Jônasy, mba hialokalofan’ny lohany mba hanafahana azy amin’ny alahelony; ka nahatsiaro faly erỳ i Jônasy tamin’ny tanantanamanga.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tampotampoka teo dia nampaniry tanantanamanga avo mihoatra ny tsanganan’i Jônà ny TOMPO Andriamanitra mba hialokalofany sy hanafaka ny hasosorany; ary nahafaly an’i Jônà tokoa io zavamaniry io.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an'i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an'i Jona indrindra ny tanantanamanga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an'i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an'i Jona indrindra ny tanantanamanga.