Joshua 1:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andeha mamakivaky ny toby ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo fa raha afaka hateloana dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handray ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrareo ho lovanareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manomàna vatsy ianareo, fa raha afaka hateloana dia hita an’ity Jordany ity ianareo, handeha haka ny tany omen’Andriamanitrareo ho fanananareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Ndeha mitety ny toby ka mandidia ny vahoaka hoe: «Manamboara vatsy ho anareo; fa, raha afaka telo andro, dia hiampita an’ity Jôrdàna ity ianareo mba hiditra haka ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo».
Malagasy Bible 1865
Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andeha mamakivaky ny toby ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo fa raha afaka hateloana dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handray ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrareo ho lovanareo.
malagasy