Joshua 1:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin’ny tany izay nomen’i Mosesy anareo etỳ andafin’i Jordana ary ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan’ny rahalahinareo hanampy azy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ny vady aman-janakareo madinika, mbamin’ny biby ompianareo, dia hijanona amin’ny tany nomen’i Môizy anareo, etỳ an-dafin’i Jordany. Fa ianareo lehilahy matanjaka sy mahery fo rehetra kosa, dia hita mitondra fiadiana eo alohan’ny rahalahinareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vady aman-janakareo ary ny biby fiompinareo dia mahazo mijanona eto amin’ity tany izay nomen’i Mosesy anareo ity. Fa ianareo vatan-dehilahy matanjaka rehetra mirongo fiadiana kosa dia hiampita hialoha ny mpiray firenena aminareo; ary hanampy azy ianareo
Malagasy Bible 1865
Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin'ny tany izay nomen'i Mosesy anareo etỳ an-dafin'i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan'ny rahalahinareo hanampy azy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin’ny tany izay nomen’i Mosesy anareo etỳ andafin’i Jordana ary ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan’ny rahalahinareo hanampy azy,
malagasy