Joshua 1:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mandra-panomen’NY TOMPO fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo ka handraisany an-tanana ny tany izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo azy. Dia hiverina ho any amin’ny taninareo ianareo ka handray an-tanana ilay nomen’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, anareo etỳ andafy atsinanan’i Jordana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary hanampy azy ianareo mandra-panomen’i Iaveh fitsaharana toa anareo koa amin’ny rahalahinareo, ka efa mahazo ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrareo azy koa izy ireo; izay vao hiverina ianareo amin’ny tany izay anareo, atỳ an-dafin’i Jordany, fiposahan’ny masoandro.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ambara-panomen’ny TOMPO azy toerana tahaka izay efa natao taminareo, ka hahazoan’ireo koa ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo azy any andrefan’i Jôrdàna. Aorian’izany vao hiverina ianareo mba hizaka ny taninareo ety andafy atsinanan’i Jôrdàna, tany izay nomen’i Mosesy mpanompon’ny Tompo anareo.
Malagasy Bible 1865
mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin'ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan'i Jordana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mandra-panomen’NY TOMPO fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo ka handraisany an-tanana ny tany izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo azy. Dia hiverina ho any amin’ny taninareo ianareo ka handray an-tanana ilay nomen’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, anareo etỳ andafy atsinanan’i Jordana.
malagasy