Joshua 1:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Araka ny nihainoanay an’i Mosesy tamin’ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa. Homba anao anie NY TOMPO Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny nanekenay an’i Môizy tamin’ny zavatra rehetra, no hanekenay anao koa. Fa aoka kosa anie homba anao i Iaveh Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy misy hafa amin’izay hankatoavanay mandrakariva an’i Mosesy no hankatoavanay anao koa. Homba anao anie ny TOMPO Andriamanitrao tahaka izay nanombany an’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
Araka ny nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Araka ny nihainoanay an’i Mosesy tamin’ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa. Homba anao anie NY TOMPO Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Mosesy.
malagasy
Araka ny nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Mosesy.Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.