Joshua 1:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatreo amin’ny tany efitra sy irỳ Libanona irỳ ary hatrany amin’ny ony lehibe na ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an’ny Hetita ka hatrany amin’ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’ny efitra sy hatramin’io Libàna io ka hatramin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, dia ny tanin’ny Heteanina rehetra, ary hatramin’ny ranomasina lehibe any amin’ny fisitrihan’ny masoandro, no ho faritaninareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny taninareo dia manomboka eo amin’ny taniefitra any atsimo ka mipaka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Libano any avaratra; ary manomboka eo amin’ny ony Eofrata any atsinanana, dia mamakivaky ny tanin’ny Hetita, ka mipaka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.
Malagasy Bible 1865
Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatreo amin’ny tany efitra sy irỳ Libanona irỳ ary hatrany amin’ny ony lehibe na ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an’ny Hetita ka hatrany amin’ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
malagasy
Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.