Joshua 1:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanatanteraka araka ny lalàna rehetra izay nandidian’i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, mba hambinina ianao amin’izay rehetra alehanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa matanjaha kosa ary mahereza fo tokoa, sady mitandrema tsara mba hanao araka ny lalàna rehetra nandidian’i Môizy mpanompoko anao. Aza mivily amin’izay na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, mba hahomby ianao amin’izay rehetra hataonao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, aoka ho sahy sy hahery tokoa ianao mba himasoanao ny hanao araka ny lalàna manontolo izay nampitain’i Mosesy mpanompoko taminao. Aza misy anaovana tsirambina mihitsy izany na kely aza, dia hahomby ianao amin’izay rehetra ataonao.
Malagasy Bible 1865
Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina ianao amin'izay rehetra alehanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanatanteraka araka ny lalàna rehetra izay nandidian’i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, mba hambinina ianao amin’izay rehetra alehanao.
malagasy
Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina ianao amin'izay rehetra alehanao. [Na: ho hita ho hendry]