Joshua 1:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanatanteraka araka izay rehetra voasoratra ao; fa amin’izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka tsy ho afaka am-bavanao ny bokin’ity lalàna ity, fa hosaintsaininao andro aman’alina sady hotandremanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra ao, fa amin’izany dia hiadana amin’ny lalanao rehetra sy hahomby tsara ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ianao hahavatra mamaky ity bokin’ny lalàna ity ary handinika azy andro aman’alina mba himasoanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra anatiny. Amin’izay dia ho tontosanao tsara ny fikasanao rehetra ary hahomby ianao.
Malagasy Bible 1865
Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanatanteraka araka izay rehetra voasoratra ao; fa amin’izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.
malagasy
Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina. [Na: ho hita ho hendry]