Joshua 10:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’i Adony-Zedeka, mpanjakan’i Jerosalema, fa azon’i Josoa ka nataony zavatra voaozona i Ay; ary araka izay nataony tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’i Ay sy ny mpanjakany sady nanao fihavanana tamin’ny Israely ny mponina tany Gibeona ka tafatoetra eo aminy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’i Adônisedeka, mpanjakan’i Jerosalema, fa i Haia dia efa azon’i Jôsoe, ka nataony anatema; toy ny nanaovany an’i Jerikô sy ny mpanjakany, no nanaovany an’i Haia sy ny mpanjakany koa, ary ny mponina ao Gabaôna efa nanao fihavanana tamin’i Israely ka mitoetra eo aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ren’i Adôny-Tsedèka, mpanjakan’i Jerosalema, fa azon’i Josoa ary nopotehiny tanteraka i Hay sady novonoiny ny mpanjakany; ka tahaka izay nataony tamin’i Jerikao sy ny mpanjakany no nataony tamin’i Hay. Reny koa fa ireo mponina tao Gibehôna dia efa nanao fanekempihavanana tamin’ny Israelita ka miara-monina aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa afak'i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin'Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin'ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’i Adony-Zedeka, mpanjakan’i Jerosalema, fa azon’i Josoa ka nataony zavatra voaozona i Ay; ary araka izay nataony tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’i Ay sy ny mpanjakany sady nanao fihavanana tamin’ny Israely ny mponina tany Gibeona ka tafatoetra eo aminy,
malagasy
[Ny nandresen'ny Isiraely ny mpanjaka dimy lahy, sy ny nahazoany an'i Kanana Atsimo rehetra.] Ary rehefa ren'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa afak'i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin'Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin'ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy, [Heb. nataony herema]