Joshua 10:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nandositra teo anoloan’ny Israely teo am-pidinan’i Bety-Horona izy ireo dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka NY TOMPO ka nahafaty azy. Be lavitra ny matin’ny havandra noho izay novonoin’ny Zanak’Israely tamin’ny sabatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny nandosiran’izy ireo teo anatrehan’ny zanak’i Israely teo amin’ny fidinan’i Betôrôna dia nampianjeran’i Iaveh vato vaventy izy ireo hatrany Azekà, ka maty; be lavitra ny matin’ny havandra vato noho ny matin’ny sabatry ny zanak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa iny nandositra teo anoloan’ny Israelita iny ry zareo, ka tonga teo am-pidinana avy ao Bety-Hôrôna, dia nandatsahan’ny TOMPO havandra vaventy avy tany an-danitra ambara-pahatongany tao Hazekà; ka be lavitra ny matin’ny havandra noho izay naripaky ny Israelita tamin’ny sabatra.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nandositra teo anoloan'ny Isiraely teo am-pidinan'i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin'ny havandra noho izay novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nandositra teo anoloan’ny Israely teo am-pidinan’i Bety-Horona izy ireo dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka NY TOMPO ka nahafaty azy. Be lavitra ny matin’ny havandra noho izay novonoin’ny Zanak’Israely tamin’ny sabatra.
malagasy