Joshua 10:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’io andro nanoloran’NY TOMPO ny Amorita teo anoloan’ny Zanak’Israely io i Josoa dia niteny tamin’NY TOMPO teo imason’ny Zanak’Israely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, dia mijanòna any an-dohasahan’i Aialona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niteny tamin’i Iaveh i Jôsoe tamin’ny andro nanoloran’i Iaveh ny Amôreana tamin’ny zanak’i Israely, ka hoy izy teo imason’ny zanak’i Israely: «Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gabaôna ary ianao, ry volana, ambonin’ny lohasaha Ajalôna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro nanomezan’ny TOMPO fandresena ho an’ny Israelita teo anoloan’ny Amôrita, dia nivavaka tamin’ny TOMPO i Josoa ka niteny teo imason’ny Israelita hoe: –Ry masoandro, mijanona eo ambonin’ny lohasahan’i Aialôna!
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’io andro nanoloran’NY TOMPO ny Amorita teo anoloan’ny Zanak’Israely io i Josoa dia niteny tamin’NY TOMPO teo imason’ny Zanak’Israely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, dia mijanòna any an-dohasahan’i Aialona.
malagasy
Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona.[Heb. mangina]