Joshua 10:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, mandra-pamalin’ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra ao amin’ny Bokin’i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan’ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika saika indray andro manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nijanona ny masoandro ary tsy nandroso koa ny volana Mandra-pamalin’ny firenena ny fahavalony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nijanona ny masoandro ary niato ny volana ambara-pandresin’ny firenena israelita ny fahavalony. Araka izay efa voasoratra tao amin’ny bokin’i Ilemahitsy, dia nijanona teo afovoan’ny lanitra tokoa ny masoandro, ka tsy nety hilentika indray andro manontolo.
Malagasy Bible 1865
Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, mandra-pamalin’ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra ao amin’ny Bokin’i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan’ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika saika indray andro manontolo.
malagasy
Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra. [Heb. mangina][Jasara = Ilay mahitsy]