Joshua 10:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nataon’ny olona izany ka navoakany avy tao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo ho eo aminy, dia ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrona, ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy ary ny mpanjakan’i Eglona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nataony izany, nentiny nankany aminy ny mpanjaka dimy izay navoakany avy ao an-johy, ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrôna, ny mpanjakan’i Jerimota, ny mpanjakan’i Lakisa, ary ny mpanjakan’i Eglôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notanterahina izany ka nentina teo amin’i Josoa ireo mpanjakan’i Jerosalema sy i Hebrôna mbamin’ireo mpanjakan’i Jarmôta sy i Lakisy ary i Heglôna.
Malagasy Bible 1865
Dia nataon'ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nataon’ny olona izany ka navoakany avy tao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo ho eo aminy, dia ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrona, ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy ary ny mpanjakan’i Eglona.
malagasy