Joshua 10:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa navoaka tao ireo mpanjaka ireo ka noentina ho eo amin’i Josoa dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ny Israely i Josoa ka niteny tamin’ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatòna ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona ireo ka nanao ny tongony teo amin’ny vozon’ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa navoakany ho eo anatrehan’i Jôsoe, ireo mpanjaka ireo, dia nantsoin’i Jôsoe ny lehilahy rehetra amin’i Israely ka hoy izy tamin’ireo filohan’ny lehilahy mpiantafika, izay niaraka taminy: «Manatòna ianareo, ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo.» Dia nanatona ireo ka nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka tamin’ny tongony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony naseho teo anatrehan’i Josoa ireo mpanjaka ireo, dia namory ny lehilahy israelita rehetra i Josoa ka niteny tamin’ny mpitari-tafika niara-nikatroka taminy nanao hoe: –Manatona ianareo, ka hitsaho ny vozon’ireo mpanjaka ireo. Dia nanatona izy ka nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin'i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely Josoa ka nanao tamin'ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin'ny vozon'ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin'ny vozon'ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa navoaka tao ireo mpanjaka ireo ka noentina ho eo amin’i Josoa dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ny Israely i Josoa ka niteny tamin’ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatòna ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona ireo ka nanao ny tongony teo amin’ny vozon’ireo.
malagasy